Kserksesy I - Wikipedia Kserksesy I Avy amin'i Wikipedia Aller à la navigation Aller à la recherche Sary mivohitra amin'ny vato amin'ny fasan'i Kserksesy I I Kserksesy I dia mpanjaka isan'ny fianakavia-mpanjaka akemenida.izay nanapaka an'i Persia nanomboka tamin'ny taona 486 hatramin'ny 465 tal. J. K. Teraka tamin'ny taona 519 tal. J.K. sy maty tamin'ny taona 465 (na 475) tal. J.K. izy. I Kserksesy I dia nanjaka tamin'ny empira nivelatra hatrany amin'ny reniranon'i Indosy ka hatrany amin'ny Ranomasina Egea, hatrany amin'ny Sir-Daria kahatrany amin'ny Helodrano Persika sy any amin'ny renirano Nily, ka tafiditra ao i Egipta nandritra ny dinastia faha-27. I Dariosy I nonanjaka teo alohany ary i Artakserksesy I no nandimby azy teo amin'ny fanjakana. I Manetona dia miantso an'io mpanjaka io hoe Kserksesy Lehibe sady milaza fa nanjaka nandritra ny 21 taona izy. Amin'ny teny persiana taloha dia atao hoe Kshayarsha izy, amin'ny teny persàna dia خشایارشا / Ksashâyârshâ. Atao hoe Ahasoerosy na Asoerosy (hebreo: אֲחַשְׁוֵרוֹשׁ / Aʾhashverosh) izy ao amin'ny Bokin'i Estera ao amin'ny Baiboly. Zanak'i Dariosy I Lehibe sy i Atosa (zanaka vavin'i Kirosy Lehibe) i Kerksesy. I Amestrisy no anaram-badiny. Ireto avy ny zanany: Artakserksesy I, Histaspesy, Artariosy, Titraostesy, Rodogina (vavy), Dareiaia, Akemenesy, Amitisy, ary Ratasaha. Niakatra teo amin'ny fitondrana izy tamin'ny fahafatesan-drainy. Nanamontsana ny fikomiana tany Egipta i Kserksesy I tamin'ny taona 485 sy 464 tal. J.K. ary nampangina ny fikomiana tany Babilôna koa tamin'ny taona 482 tal. J.K. Nandritra izany fotoana izany dia nanomana fanafihana mitohy tany amin'ny Grika i Kserksesy nandritra ny telo taona. Nandresy an-drainy tamin'ny Ady Medika tamin'ny taona 499 - 490 tal. J.K. mantsy ireto Grika ireto. Araka an'i Herôdôtosy dia niisa 2 600 610 ny miaramilan'i Kserksesy I, an-tanety sy an-dranomasina. Niampita an'i Helespôntosy (Dardanela ankehitriny) i Kerksesy sy ny tafiny tamin'ny alalan'ny fanaovana tetezan-tsambo mirefy iray kilômetatra, ary nanao lavaka ambany tany namakivaky ny andilan-tanin'ny tendrombohitra Atosy (Athos). Nandritra ny lohataon'ny taona 480 tal. J.K. i Kserksesy dia niampita an'i Trakia sy i Tesalia ary i Lokrida niaraka tamin'ny tafiny. Tao Termofilesy, ny mpanjaka spartiata Leonidasy I sy ny tafiny dia niaro amin-kerimpo ny taniny ka nihemotra folo andro ny fananiham-bohitry ny tafika persiana. Tamin'ny ady tao Salamina tamin'ny volana Septambra dia resin'ny tafika an-dranomasin'ny Grika, izay vitsy sambo kokoa, ny tafika an-dranomasin'i Kserksesy I. Niverina tany Azia Minora i Kerksesy ka navelany tany Gresy (na Grisia) ny tafiny teo ambany fibaikoan'i Mardôniosy izay resy tao Platea tamin'ny taona manaraka (tamin'ny volana Septambra 479 tal. J.K.). Tamin'ny fiafaran'ny fanjakan'i Kserksesy I dia niatrika ny fikomiana tany Babilôna indray izy. Tamin'ny taona 465 tal. J.K. dia maty novonoin'i Artabanosy, mpitarika ny fiambenana ny mpanjaka, i Kserksesy I. Ny zanany Artakserksesy I no nandimby azy teo amin'ny fitondrana ny empira. Jereo koa[hanova | hanova ny fango] Ireo mpanjaka persiana akemenida: Akemenesy - Teispesy - Kirosy I - Ariaramnesy - Kambisesy I - Arsamesy - Kirosy II Lehibe - Kambisesy II - Bardià - Dariosy I - Kserksesy I - Artakserksesy I - Kserksesy II - Sôgdianosy - Dariosy II - Artakserksesy II - Artakserksesy III - Arsesy - Dariosy III. Hita tao amin'ny "https://mg.wikipedia.org/w/index.php?title=Kserksesy_I&oldid=978924" Meny fitetezana Fitaovana manokana Tsy tafiditra Pejin-dresaka Fandraisan'anjara Hamorona kaonty Hiditra Valam-pejy Lahatsoratra dinika Ny ''skin'' Voasintona Fijerena Hamaky Hanova Hanova ny fango Hijery ny tantara Plus Tadiavo Fikarohana Fandraisana Wikipedia finday Pejy rehetra Pejy vaovao Takelaka kisendra Fikambanana Toerana iraisana Toerana iombonana Non-malagasy speakers Handray anjara Fampidirana Fiovana farany Ny vaovao Handefa takelaka Fanomezana Kianjam-pasika Fanoroana sy fitsipika Renipejy Fototra dimy Fanamboarana takelaka Fitaovana Pejy mirohy eto Novaina Handefa rakitra Pejy manokana Rohy maharitra Fampahalalana mikasika ny pejy Hitanisa ity pejy ity Zavatra Wikidata Printiana/avoaka Hanorina boky Hampidina ho toa PDF Ny votoatiny azo atonta printy Amin'ny tetikasa hafa Wikimedia Commons Amin'ny tenim-pirenena hafa Afrikaans Alemannisch العربية مصرى Asturianu Azərbaycanca تۆرکجه Беларуская Български Brezhoneg Bosanski Català Čeština Cymraeg Dansk Deutsch Ελληνικά English Esperanto Español Eesti Euskara فارسی Suomi Français Galego עברית हिन्दी Hrvatski Magyar Հայերեն Bahasa Indonesia Italiano 日本語 ქართული Қазақша 한국어 Kurdî Кыргызча Latina Lëtzebuergesch Lietuvių Latviešu मराठी Bahasa Melayu Nederlands Norsk nynorsk Norsk bokmål Occitan Polski پنجابی پښتو Português Română Русский Scots Srpskohrvatski / српскохрватски Simple English Slovenčina Slovenščina Српски / srpski Svenska தமிழ் ไทย Tagalog Türkçe Українська اردو Oʻzbekcha/ўзбекча Tiếng Việt Winaray 吴语 Yorùbá 中文 Hanova ny rohy Voaova farany tamin'ny 30 Desambra 2019 amin'ny 10:54 ity pejy ity. Azo ampiasaina araka ny fepetra apetraky ny lisansa Creative Commons Attribution-ShareAlike ; Mety misy ny fepetra fanampiny mihatra. Jereo fepetram-pampiasana ho an'ny antsipirihany. Fitsipika momba ny zavatra tsy sarababem-bahoaka Mombamomba ny Wikipedia Fampitandremana Jery am-pinday Mpanitatra Statistiques Déclaration sur les témoins (cookies)